Ministeran’ny fanasitranana

Raha jerentsika sy dinihintsika tsara ny iraka nataon’i Jesoa, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tsapantsika fa ny ankamaroan’ny iraka nataony dia momban’ny fanasitranana, fanafahana sy fanamavainana ny rofin’ny olona. Ireo famantarana amam-pahagagana ireo dia manambara tokoa fa Izy no Ilay voahosotra “MESIA”, Zanak’Andriamanitra. Maro noho izany ireo manoratra sy mamelabelatra ny momba ireo fahagagana nataon’i Jesoa ireo. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : Isika kristianin’ny taonjato faha-21 ve manantena fa mbola hahita toy ireny niseho tamin’ny andron’i Jesoa ireny ?

I Md Paoly dia manamafy fa i Jesoa dia tsy miova omaly, anio ary ho mandrakizay (He 13, 8). Ny dikan’io teny io amintsika karismatika dia manantena sy miandry ireo famantarana ireo isika amin’ny anaran’i Jesoa, satria mino isika fa VELONA TOKOA I JESOA.

Maro ny kristianina no mampisaraka an’i Jesoa velona tany Palestinina sy i Jesoa ilay inoany ankehitriny. Izany hoe misy ho azy ireo ilay Jesoa ara-tantara sy ilay Jesoa ilay inoana. Fahadisoan-kevitra sy hevi-diso izany finoana izany ary lainga. Isika karismatika dia tsy maintsy mijoro eo anoloan’izany ho iraka mitory ny vaovao mahafaly fa “Jesoa Kristy no TOMPO SY MPAMONJY ary VELONA IZY ankehitriny”. Amin’ny anaran’i Jesoa izay velona, dia sahy isika karismatika mangataka Aminy fa afaka maneho ireo fanafahana sy fanasitranana izay nataony tany Palestinina Izy amin’izao androntsika izao.

Maro amin’ireo kristianina ankehitriny no very finoana satria tsy mino izy ireo fa mihaino antsika isan’andro Andriamanitra. Isika karismatika kosa nefa dia sahy mangataka ireo famantarana ireo satria mino isika fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary tsy mivadika amin’ny teniny sy ny fampanantenany.

Manoloana izany fanantenana sy fahasahiana izany, dia tsy maintsy aloha isika miezaka ho tonga « MPIANATR’I KRISTY ». Noho izany ity ministeran’ny fanasitranana ity mampanontany tena antsika hoe “Tena mpianatr’i Kristy tokoa ve aho ? Tena anisan’ny mpanantanteraka ny sitrapony ve ? (Diniho sy eritrereto eto ilay hira hoe : hoy i Kristy tsy izay miantso hoe Tompo, Tompoko no tena mpianatro fa ireo manantanteraka ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra). Tokony hataontsika ao an-tsaina mandrakariva ny tenin’i Jesoa fa izay mahatoky amin’ny teniny dia afaka manao ireo zavatra nataony ary hanao mihoatra aza (Jo 14, 11-14).

Tamin’i Jesoa nitory ny Fanjakan’Andriamanitra dia nanao famantarana sy fahagagana maro izy satria nomba azy ny herin’Andriamanitra. Ireny fanasitranana sy fanafahana ireny dia isan’ny nanamarika ny iraka nampanaovina azy ary manamafy ny maha-Mesia azy araka ny voalazantsika tery ambony. Tamin’izy niverina tany amin’ny Rainy nefa dia nilaza tamin’ny mpianany izy nanao hoe : “Mandehana mitoria ny Vaovao Mahafaly amin’ny voahary rehetra. Ary izao no famantarana homba izay mino, handroaka demony amin’ny anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy… hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny…” (Mk 16, 16…)

Isika koa ankehitriny dia ankaherezin’ny Fanahy Masina dia te hanohy izany asan’i Kristy izany ka sahy milaza hoe : Ny FIAINANY no fiainantsika,, ny ASANY no asantsika.

Noho izany fahasahiantsika sy fanampian’ny Fanahy Masina izany dia manangana ity ministera ity izay atao hoe : MINISTERAN’NY FANASITRANANA. Lava be ny fampianarana sy ny tiana ambara ny amin’ity ministera ity satria misy fomba fivavaka ao, misy fomba fanao, fiteny, fihetsika… Noho izany dia tsikelikely no hizarana izany amintsika.

I- Voalohany aloha dia mizara roa lehibe ity ministera ity araka ny vavaka angatahin’ny olona :

  1. Vavaka fanasitranana tsotra
  2. Fanasitranana anaty
  3. Fanasitranana ara-batana
  4. Vavaka fanafahana

Amin’ny ankapobeny ny vavaka ataontsika dia mikendry ny hahasalama ny olona manontolo : saina, vatana, Fanahy. Mety manontany isika hoe :” Tsy fanafahana ihany ve ny fanasitranana koa maninona no avahana toy izany ?” Eny, nefa misy mampiavaka azy noho ny fahasarotan’ny zavatra atrehina.

Raha hotanisaina eto dia betsaka ireo tenin’Andriamanitra manambara ity ministera ity fa ny hobanjinintsika sy ataontsika filamatra eto dia ny nanasitranan’i Jesoa ilay olona nalemy (Mk 2, 1-12).

Ny vavaka fanasitranana aloha dia ny famonjena ny fanahin’ny olona sy ny hitondra azy eo amin’Andriamanitra Velona sy Mpamonjy. Ny tanjontsika amin’ny vavaka rehetra ataontsika dia ny hahamora ny fandraisan’ny olona ny famonjena sy ny hahazoany ny fiainana mandrakizay. Izany tanjona izany dia i Jesoa no nampianatra antsika izany tamin’ny alalan’ny fanasitranana nataony.

  • « Anaka, voavela ny helokao »: Misy ny loharanon’aretin’ny olona dia ny fahotana, mety ho fahotana iray io na koa maromaro. Ny olombelona dia iray tsy mivaky : tsy azo sarahina ny vatana, ny saina, ny fanahy. Azo lazaina hoe mistery ny maha-olombelona antsika. Noho izany, ny fiainam-panahy sy ny toe-tsaintsika dia mety misy fiantraikany eo amin’ny vatany. Ny toe-batana sy ny mahazo ny vatantsika koa dia misy fiatraikany eo amin’ny saina sy ny fanahy. Izany no tsy maintsy ilàna fitandremana be rehefa manao fanadihadiana momba ny olona iray sy ny fiainany.

Ny an’i Jesoa, ny fanasitranana ny vatana dia miampita amin’ny fanasitranana ny fanahy. Fanasitranana mira famonjena ny vatana sy fanahy. Raha dinihintsika tsara ny lojikan’ny Evanjely sy ny drafitr’Andriamanitra dia mikendry lavitra hatrany, izany hoe mikendry mandrakariva ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay. Ho antsika koa, raha manadihady ny fiainan’ny olona isika dia tokony hanaraka io drafitr’Andriamanitra sy ny Evanjely io. Tsy tonga dia hay indray mandeha nefa izany fa tsikelikely sy miandalana no fahafantarantsika ny fototry ny aretin’ny olona sy ny fototry ny ratsy ao aminy. Noho izany, raha hanasitrana na hanafaka ny olona isika dia tsy maintsy atao aloha izay fomba rehetra hihavanan’ilay olona amin’Andriamanitra. Raha ilaina, arakaraky ny fototr’aretina dia ilaina ihany koa ny mampibebaka ny fianakaviany na izay olona mifanerasera aminy. Izany hoe amporisihina ny olona aloha hibebeka, hiaiky ny hadisoany amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fampihavanana (Konfesy) satria araka ny efa voalaza tery ambony dia miteraka aretina ny fahotana. Izany koa dia midika – raha arahintsika tsara ny voalazan’i Md Marka ao amin’io Evanjely io – fa ny SAKRAMENTAN’NY FAMPIHAVANANA dia efa FANASITRANANA. Araka ny traikefa efa hita sy natao ary n’aiza n’aiza dia tsapa tokoa fa tena manasitrana tokoa ny konfesy. Raha tsy hijery fotsiny isika rehefa misy laretirety, rehefa mandeha ny fampianarana momba ny Kerygma ka mikonfesy amin’ny heloka rehetra nataony ny olona (Konfesy zeneraly) ; dia tsy vitsy ireo sitrana sy afaka. Izany dia milaza amintsika hoe : ny fihavanana amin’Andriamanitra no fototry ny fahasitranana sy fahafahana.

Zavatra roa lehibe no ambaran’ny famelan-keloka : ny voalohany dia ny fandraisana ny indrafon’Andriamanitra. Ny faharoa dia ny fifamelana heloka eo amin’ny samy olombelona. Noho izany raha manomana olona hibebaka isika amin’ny fanasitranana, dia tsy maintsy atao izay hihavanan’ilay olona amin’ny hafa. Satria ny famelan’ny hafa ny heloka vita dia mitondra hafaliana, fiadanana ary mampitombo ny fifankatiavana. Ny fihavanana amin’ny hafa dia efa mitondra ho amin’ny fahasitranana.

  • Gaga i Jesoa nahita ny finoan’ireo olona nitondra ity marary : ohatra tsara halain-tahaka ity amin’ity ministerantsika ity. Satria isika dia miezaka hitondra ny olona kivy tsy manana fanantenana, ireo voafatotry ny fahotana, marary, eo amin’Andriamanitra. Matetika ireny olona ireny dia hain’ny demony mihitsy ny milalao azy. Ilain’Andriamanitra isika noho izany mba hateraka indray ireny olona ireny ho tonga olom-baovao. Ity fitondrana ny olona ho eo amin’Andriamanitra ity dia mampatsiahy antsika an’i JESOA MPIANDRY ONDRY TSARA. Ny karisman’ny mpiandry ondry tsara dia mampahatsiaro antsika aloha fa tompon’andraikitra isika amin’ny famonjena ny hafa.

Raha nahita ny finoan’ireto namany nitondra ity marary i Jesoa dia gaga. Izany hoe ny fahasitranana sy ny fahafahana dia miankina amin’ny finoana. Eo ny finoan’ilay marary fa indrindra ny finoantsika (ekipa mpanasitrana). Raha tsy manam-pinoana isika dia zava-poana ny ataontsika satria ny vavaka am-pinoana ataontsika no mahatonga fahasitranana sy mahavonjy ny olona. Eny misy indraindray ny mety mahakivy antsika, kanefa isika dia mahatoky an’Andriamanitra ary Andriamanitra dia mahalala izay mahasoa ny olony. Noho izany dia mamporisika antsika mba tena hatoky ny HATSARAPON’ANDRIAMANITRA amin’izany.

 

  • Ny hafatra fahatelo amin’ity fanasitranana nataon’i Jesoa ity dia izao : TSY MAINTSY MIASA MIARAKA ISIKA (ekipa fa tsy mandeha tsirairay). Tena manaitra ahy eto ny hoe : “Tena nilaina ve ireto olona efatra(4) nibata azy ireto mba ho sitrana ity olona ity ary mba ho voaaro izy ?” Mampatsiahy zavatra efatra (4) mifameno eto ireto olona efatra (4) nitondra ilay marary ireto :

 

  1. Ny voalohany, isika karismatika ato anatin’ny FIOMBONANA dia tsy niasa irery hatramin’izay, fa misy olona maro foana (Ekipa). Amin’ny fanasitranana fanaontsika karismatika eto no lazaiko fa tsy vavaka tsotra ho an’ny marary. Satria manko raha mandeha irery isika dia mety hahatonga loza ho an’ny vatantsika sy ny saintsika izany. Etsy ankilany dia mety ho diso sy tsy ampy ny fandanjalanjana (discernement). Ny finiavanao handeha irery dia midika fiavonavonana ara-panahy. Ny vokatr’ity avonavona ity nefa dia miteraka ratsy na ho anao na ho an’ilay olona sitranina araka ny zavatra efa hita. Noho izany, ny fisian’ny olona hafa miaraka aminao dia midika fiarovana ho anao ary koa manampy anao handanjalanja ny sitrapon’Andriamanitra sy ny zavatra hatao amin’ny vavaka fanasitranana. Koa tsy maintsy miaraka isika manao ny asa fa tsy doany akory no ataontsika. Ireto noho izany no toetra sy zavatra takiana amintsika:
    1. Ny fahatsorana;
    2. Ny fanetren-tena;
  • Ny fahatoniana (Tsy mila mitroatroatra).

 

  1. Faharoa, dia tsaroantsika tsara ny tenin’i Jesoa hoe raha misy olona roa na telo mivory amin’ny anarako dia eo afovoany aho. Ny olona maromaro miara-mivavaka am-pitiavana dia manana hery be kokoa noho ny olona iray. Ny fisian’i Jesoa eo afovoany dia mampahomby be ny vavaka atao.

 

  1. Ny fahatelo dia ny fifamenoan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny karisma. Rehefa olona maromaro no miaraka dia misy fifamenoana ao ka mahatonga ny fahombiazana. Tokony ho tsapantsika eto fa ny vavaka fanasitranana dia ady ara-panahy, araka ny voalazan’I Md Paoly. Noho izany, dia tsy maintsy ataontsika izay hahafeno ny ekipa mpanasitrana alohan’ny anaovana vavaka fanasitranana. Ny mpanasitrana dia tsy ny olona rehetra akory fa izay hita fa manana izany. Ireto avy no tsy maintsy hananan’ny olona manao izany asa izany :
  • Olona manana fitiavam-bavaka lalina sy maharitra ;
  • Manana ny karisma mihira ny hiran’ny anjely ;
  • Manana ny karisman’ny fandanjalanjana ;
  • Manana ny karisman’ny fanafahana ;
  • Manana ny karisman’ny fanasitranana ;
  • Karisman’ny fangorahana ;
  • Karisman’ny fahalalana ;
  • Karisman’ny faminaniana ;
  • Olona tena votom-pinoana…

 

  1. Faha-efatra dia ndeha hodinihintsika ity evanjelin’i Md Marka ity. Raha olona ratsy saina ireo olona nitondra ny marary ireo dia tsy nentiny teo amin’i Jesoa ilay marary. Sarotra ny hihevitra fa ny olona ratsy saina dia hitondra olona marary. Alaivo sary an-tsaina hoe avy lavitra ilay marary ary nanahirana vao tonga teo amin’i Jesoa. Noho izany, dia mipetraka koa ny fanontaniana amintsika hoe olona ratsy fanahy sy ratsy saina ve dia ho afaka hiroso ato amin’ity ministera ity ? Noho izany, dia tsy maintsy manana ireto hatsarana ireto ny olona manao ny fanasitranana:
    1. Olona salama saina tsara ;
    2. Olona efa manana traikefa ara-panahy tsara ;
    3. Olona maharitra mivavaka isan’andro ;
    4. Olona tsara fitondran-tena ary ohatra amin’izany, tsy manam-pahotana mahafaty ;
    5. Olona mazoto mandray sakramenta (konfesy sy ny Eokaristia…) ;
    6. Olona mahatana tsiambaratelon’ny olona entina am-bavaka ;
    7. Olona hita fa manam-pitiavana ny hafa ary tsotra ;
    8. Olona manam-potoana amin’izany ary koa mahazaka manao ny takian’izany asa izany (fifadian-kanina, harerahana, ny fahantran’ny olona…) ;
    9. Olona manana ny ankamaroan’ireo karisma voalaza etsy ambony.

Farany, maro ny olona miditra amin’ity ministera ity hoe mpanasitrana, tsy ampy izany fa tsy maintsy SEDRAINA. Ny fisedrana azy dia ny Berger (mpiandry) sy ny gropy pastoraly no miantso azy hanao io asa io aloha. Avy eo, araka ny fandanjalanjana miaraka, izay vao afaka miteny hoe izy tokoa ity olona ity na tsia. Averimberiko matetika ho anareo berger (mpiandry) rehetra fa tsy maintsy matotra tsara sy malina isika amin’ny fifidianana ny olona ho amin’ity, satria tsy kilalao akory izy ity sanatria.

 

  1. Tohizantsika ihany ny momba ny vavaka fanasitranana. Jereo sy diniho tsara fa nentin’ireo namany ilay olona marary teo anatrehan’i Jesoa. Ny TOERANA eto no asiana tsindrim-peo. Marina fa hoe amin’ny toerana rehetra Andriamanitra satria tsy voafetran’ny fotoana sy ny toerana iray Izy. Kanefa kosa ho antsika katolika dia mazava amintsika tsara fa i Jesoa Teny Tonga Nofo dia VELONA ao amin’ny Eokaristia, dia ao amin’ny tabernakla izay misy ny Sakramenta Masina. Noho izany dia mbola averiko indray fa ny vavaka fanasitranana dia tsy maintsy atao ao am-piangonana na chapelle na toerana fampianarana katesizy tsy lavitry ny Fiangonana misy ny sakaramenta Masina. Izany hoe mila toerana mendrika sy masina isika mba ho amin’ity asa ity.

Ny anton’izany dia matetika tsy mahazatra ny olona loatra ny fivavahana ataontsika karismatika ka tsy azony ary lasa manengelina ny olona manodidina. Ireto ary ny torohevitra ny amin’ity toerana fivavahana ity :

  1. Ny vavaka fanasitranana dia tokony ho ao amin’ny paroasy na iretsy voalaza tetsy ambony. Tsy azo atao ny manao vavaka fanasitranana any an-tranon’olona. Ny antony dia fanajana ilay marary aloha, satria mety ho hafahafa ny fihetsiny mandritra ny fivavahana. Tsy maintsy ataontsika ekipa ao an-tsaina mandrakariva koa fa olona io entina am-bavaka io ary zanak’Andriamanitra.

 

  1. Ny toerana anaovana ny fivavahana dia tsy maintsy mendrika izany, madio, mitokana ary voaravaka ireo fitaovana manintona hivavaka. Toerana voaravaka mampatsiahy fa eo Andriamanitra.

 

  1. Tsy maintsy hajaina ireo fepetra ireo indrindra mandritra ny vavaka fanafahana na fanasitranana.

 

FANOMANANA alohan’ny vavaka fanasitranana

 

  • Fanomanana ny gropy hiasa. Aoka hatsangana ny gropy isaky ny Diosezy ary eo anivon’ny nasionaly. Tsy hatsangana fotsiny nefa izany gropy izany, fa arahina fiofanana. Io gropy io dia tsy maintsy mahatsapa ny andraikiny sy ny adidy miandry azy ara-môraly, satria dia sady fitondrana am-bavaka izy no fanafahana sy fangorahana.

 

  1. Misy ny fanomanana maharitra ho an’ny gropy, dia ny fitondrana am-bavaka isan’andro ireo rehetra marary, indrindra ireo izay marary irahin’Andriamanitra ho eo amintsika gropy. Ny isam-batan’olona ao amin’ny ekipa dia tsy maintsy manokana fotoana manokana hivavahana ho azy ireo isan’andro. Angatahina ihany koa ny olona tsirairay mba hanao fifadian-kanina indray mandeha isan-kerinandro.

 

  1. Raha ny tokony ho izy dia manokana andro iray raikitra (jour fixe) mba hanaovana vavaka fanasitranana mba tsy hampanahirana loatra amin’ny asa, na ny resaka ara-tokantrano. Tsara raha efa atao matotra tsara ny ora anaovana io vavaka io isan-kerinandro, raha tsy hoe misy ny hamehana.
  2. Ny olona iray ekipa dia olona tokony hahay mifankahazo am-po miaraka amin’i Jesoa mba ho tonga lakan-drano mampita ny fahasitranana. Noho izany, raha misy anisan’ny ekipa latsaka anaty fahotana mahafaty na misy fifandirana, dia ilaina ny fampihavanana alohan’ny hirosoana amin’ny vavaka fanasitranana. Raha tsy izany dia ho lasa sakana eo amin’ny vavaka atao izany sy ho hirika idiran’ilay ratsy mora foana, indrindra mandritra ny vavaka. Mila mitandrina be isika fa tsy kilalao izy ity.

 

  1. Misy koa ny fanomanana fohy: :Ity dia fanomanana amin’ny andro anaovana ny vavaka fanasitranana. Ezaho mba tsy voaelingelin’ny zavatra hafa ny saina. Mifantoha tsara amin’ny zavatra atao ary henoy ny bitsiky ny Fanahy masina satria izany no mitondra fiadanana ho antsika.
  2. Tsy maintsy misy aloha ny vavaka iombonan’ny ekipa alohan’ny handraisana olona hanao vavaka fanasitranana, satria ny fiombonam-po sy saina no mitondra hery ho an’ny ekipa.
  3. Azo atao koa ny miantso ny ministeran’ny mpitondra am-bavaka hanampy alohan’ny hanao vavaka fanasitranana. Azo atao koa ny miteny amin’ny mpitondra am-bavaka mba hanao fitsaohana ny Sakramenta Masina na hanao raozery mandritra ny ekipan’ny fanasitranana miasa.

 

  • Fanomanana ny olona mangataka ny vavaka fanasitranana.

 

  1. Fanadihadiana ny mombamomba ilay olona marary sy ny fototry ny aretiny. Tsy azo atao maimaika fa alaintsika ohatra i jesoa nanontany hoe : “Inona no tianao hataoko aminao ?” Avahana tsara ny hoe inona no angatahin’ny marary sy ny fangatahanao mpanasitrana ho an’ilay marary. Indraindray manko isika dia ny antsika no ataontsika fa tsy ny an’ilay marary. Aoka ho tsarovintsika mandrakariva fa ny an’i Jesoa ny mandeha aloha dia ny famonjena ny olona, vao ny fangatahana sy ny fanasitranana. Ny ilàna ny fanadihadiana dia mba ahafantarana raha mila mikonfesy aloha ilay olona, izay fototra voalohany ahazoana fanasitranana. Ny fangatahana ataontsika dia mba hampisokatra ilay olona amin’ny fahasoavana ara-tsakramenta (Konfesy, Eokaristia, sakramentan’ny marary).

 

  1. Ilaina ihany koa ny fanadihadiana mikasika ny fianakavian’ilay marary: maro manko ny aretin’ireo marary no misy ifandraisany be dia be amin’ny fiainam-panahin’ny fianakaviany. Hadihadiana ny fiainana ara-môraly sy ara-pivavahan’ny fianakaviana sao dia misy fanompoan-tsampy ohatra. Aoka nefa isika mba ho malina amin’ny fanadihadiana satria saro-pady loatra ity asantsika ity.

 

  1. Fangatahana fifonana: alohan’ny hangatahana ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy maintsy mietry tena eo anatrehany isika. Tsy maintsy ny marary mahafantatra tsara ny heloka vitany ary vonona ny hifona sy handio ny tenany eo anatrehan’Andriamanitra.

 

  1. Atao izay handraisan’ny olona mangataka fanasitranana anjara amin’ny vavaka fanasitranana.

Fizotry ny vavaka fanasitranana

Tsy misy fizotry ny vavaka , na vavaka, na fihetsika kisendrasendra. (Tsy misy ny magie)

Ny hany fananantsika dia ny finoana velona, ny fitiavana, ny vavaka ary ny faharetantsika. Ny fihetsika (ohatra ny fametrahan-tanana) na ny karazam-pitaovana (rano voahasina, sira masina, ny Lakroa, ny sary masina, ny meday…) tsy miankina amin’ireny akory ny fahombiazan’ny asantsika sy ny vavaka ataontsika. Na tsy misy fihetsika ataontsika aza dia Andriamanitra no manatanteraka ny sitrapony amintsika. Eo anatrehan’izany, dia ny mitahiry ny finoana sy ny fitiavan’Andriamanitra ao amintsika no tsy maintsy ataontsika mba hahatanteraka ny fahasitranana irintsika. Ny fametrahana tanana eo amin’ny soroka (tan-tsoroka) amin’ny olona marary dia famantarana fa iray sy manampy ary mankahery ilay marary ianao. Efa fanaon’ny karismatika sy ny Fiangonana maneran-tany ity fihetsika ity. Fihetsika tsotra io fa tsy sakramentaly akory. Ary efa manaiky izany ny fivondronam-ben’ny eveka eran’izao tontolo izao.

Ho antsika eto Madagasikara, dia misy ny olona manafangaro ny hevitr’ity fihetsika ity na tsy mahazo ny dikany, ka izany no mahatonga ny eveka sasantsasany mbola miahotra manoloana ity fihetsika ataontsika ity. Ny amin’iny dia apetratsika amin’ny eveka ny anjarany, fa ny antsika kosa dia tsy tokony hisy fihetsika hafa ankoatr’ity tan-tsoroka ity.

Amin’ny Diosezy iray, raha toa ka manaiky ity tan-tsoroka ity ny eveka dia aoka hatao izany fa tsy hisy kosa fihetsika hafa ankoatr’izay satria mety hanimba antsika izany. Noho izany dia tsy azo atao ny manotra olona mandritra ny fivavahana, ny mamaha ny volon’olona, ny manindrona amin’ny Lakroa, ny manotsokotsona olona na manosotra menaka (raha ohatra ka eken’ny eveka ny fanosorana menaka efa nohamasinina dia azo atao ao amin’ilay diosezy). Ny fampiasana ny rano voahasina sy sira masina dia azo atao saingy mila fandanjalanjana.

Mandritra ny vavaka dia tokony ho tony foana isika, tsy ilaina ny fihetseham-po be loatra sy ny fanaovana fihetsika hafahafa. Ny lalàna volamenan’ny katolika dia ny FAHAIZANA MANDANJALANJA ny zavatra rehetra sy mitady izay tena izy na ny marimaritra iraisana fara-faharatsiny.

Indro ary misy soso-kevitra atolotro ho amin’ny fizotry ny vavaka fanasitranana, nefa anjarantsika ny mihaino ny bitsiky ny Fanahy masina izay mpitari-dalana antsika.

VAVAKA FANASITRANANA :

    1. Fiantsoana ny Fanahy Masina;
    2. Atao izay ahatsapana ny maha-eo an’Andriamanitra;
    3. Fiderana sy fitsaohana an’Andriamanitra Trinite masina;
    4. Fiekena sy fanenenana amin’ny heloka vita;
    5. Fanadihadiana mivantana ilay olona hositranina sy ny fianakaviany (ivereno vakiana ny voalaza tery aloha);
    6. Vavaka tora-po (olona 2 na 3) mba ho an’ilay olona marary;
    7. Fandrakofana ny rà masin’i Jesoa an’ilay marary na fivavahana hafa;
    8. Fametrahan-tanana (amin’ny soroka) sy fiantsoana ny anaramasin’i Jesoa arahin’ny fihirana ny hiran’ny anjely raha omen’ny Fanahy antsika izany;
    9. Avy eo dia miandry ny hafatra na faminaniana ny gropy ary hamafisina amin’ny Tenin’Andriamanitra izany.
    10. Hazavaina amin’ilay marary ny Tenin’Andriamanitra ary ampaherezina izy mba haharitra amin’ny vavaka sy hanana fanantenana hatrany.
    11. Fisaorana an’Andriamanitra sy ny hira famaranana.

Mopera Jacques Z. GRAD, SVD

Aomonie Nasionaly Karismatika